Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 72:12-20 Malagasy Bible (MG1865)

12. Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;

13. Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo.

14. Hanavotra ny fanahiny amin'ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny.

15. Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan'andro no hisaorany azy.

16. Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany.

17. Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra.

18. Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;

19. Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.

20. Tapitra ny fivavak'i Davida, zanak'i Jese.

Vakio ny toko manontolo Salamo 72