1. Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
2. Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
3. Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
4. Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana
5. Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka.
6. Jehovah ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
7. Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao,
8. Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.