Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 66:7-14 Malagasy Bible (MG1865)

7. Manjaka mandrakizay amin'ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra.

8. Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,

9. Izay mampitoetra ny fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.

10. Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy.

11. Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.

12. Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.

13. Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,

14. Izay notononin'ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.

Vakio ny toko manontolo Salamo 66