Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 53:3-6 Malagasy Bible (MG1865)

3. Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.

4. Tsy mahalala va ny mpanao ratsy, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Andriamanitra tsy antsoiny?

5. Indreo, matahotra dia matahotra ireny, nefa tsy nisy tokony hatahorany; fa Andriamanitra efa nanely ny taolan'izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy ianao, satria efa narian'Andriamanitra izy.

6. Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! raha ampodin'Andriamanitra avy amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.

Vakio ny toko manontolo Salamo 53