Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 52:2-7 Malagasy Bible (MG1865)

2. Loza no heverin'ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.

3. Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina.

4. Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.

5. Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona.

6. Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:

7. Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an'Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben'ny hareny ka nikikitra tamin'ny faharatsiany.

Vakio ny toko manontolo Salamo 52