Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 52:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Maskila nataon'i Davida, fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin'i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon'i Ahimeleka. Nahoana no mandoka tena amin'ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon'Andriamanitra maharitra mandrakariva.

2. Loza no heverin'ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.

3. Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina.

4. Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.

5. Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona.

Vakio ny toko manontolo Salamo 52