Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 37:29-40 Malagasy Bible (MG1865)

29. Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay

30. Ny vavan'ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.

31. Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.

32. Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.

33. Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.

34. Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.

35. Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;

36. Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.

37. Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an'ny olona tia fihavanana.

38. Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra.

39. Fa ny famonjena ny marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana Izy.

40. Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 37