Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 33:6-18 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.

7. Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.

8. Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao.

9. Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.

10. Jehovah mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.

11. Ny fisainan'i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.

12. Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.

13. Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy;

14. Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany,

15. Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.

16. Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny.

17. Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny.

18. Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,

Vakio ny toko manontolo Salamo 33