toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14
  15. 15
  16. 16
  17. 17
  18. 18
  19. 19
  20. 20
  21. 21
  22. 22
  23. 23
  24. 24
  25. 25
  26. 26
  27. 27
  28. 28
  29. 29
  30. 30
  31. 31
  32. 32
  33. 33
  34. 34
  35. 35
  36. 36
  37. 37
  38. 38
  39. 39
  40. 40
  41. 41
  42. 42
  43. 43
  44. 44
  45. 45
  46. 46
  47. 47
  48. 48
  49. 49
  50. 50
  51. 51
  52. 52
  53. 53
  54. 54
  55. 55
  56. 56
  57. 57
  58. 58
  59. 59
  60. 60
  61. 61
  62. 62
  63. 63
  64. 64
  65. 65
  66. 66
  67. 67
  68. 68
  69. 69
  70. 70
  71. 71
  72. 72
  73. 73
  74. 74
  75. 75
  76. 76
  77. 77
  78. 78
  79. 79
  80. 80
  81. 81
  82. 82
  83. 83
  84. 84
  85. 85
  86. 86
  87. 87
  88. 88
  89. 89
  90. 90
  91. 91
  92. 92
  93. 93
  94. 94
  95. 95
  96. 96
  97. 97
  98. 98
  99. 99
  100. 100
  101. 101
  102. 102
  103. 103
  104. 104
  105. 105
  106. 106
  107. 107
  108. 108
  109. 109
  110. 110
  111. 111
  112. 112
  113. 113
  114. 114
  115. 115
  116. 116
  117. 117
  118. 118
  119. 119
  120. 120
  121. 121
  122. 122
  123. 123
  124. 124
  125. 125
  126. 126
  127. 127
  128. 128
  129. 129
  130. 130
  131. 131
  132. 132
  133. 133
  134. 134
  135. 135
  136. 136
  137. 137
  138. 138
  139. 139
  140. 140
  141. 141
  142. 142
  143. 143
  144. 144
  145. 145
  146. 146
  147. 147
  148. 148
  149. 149
  150. 150

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 33 Malagasy Bible (MG1865)

Fiderana an'Andriamanitra Mpitondra izao rehetra izao sy Mpiaro ny olona

1. Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.

2. Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo.

3. Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana.

4. Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.

5. Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany.

6. Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.

7. Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.

8. Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao.

9. Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.

10. Jehovah mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.

11. Ny fisainan'i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.

12. Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.

13. Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy;

14. Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany,

15. Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.

16. Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny.

17. Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny.

18. Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,

19. mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.

20. Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.

21. Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika.

22. Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.