Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 25:2-12 Malagasy Bible (MG1865)

2. Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho.

3. Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.

4. Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.

5. Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.

6. Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.

7. Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,

8. Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.

9. Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.

10. Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.

11. Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.

12. Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.

Vakio ny toko manontolo Salamo 25