Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 22:17-31 Malagasy Bible (MG1865)

17. Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.

18. Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.

19. Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.

20. Vonjeo amin'ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin'ny herin'ny amboa.

21. Vonjeo amin'ny vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka amin'ny tandroky ny ombimanga.

22. Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao.

23. Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra.

24. Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.

25. Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah.

26. Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.

27. Hahatsiaro ka hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.

28. Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.

29. Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.

30. Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy.

31. Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.

Vakio ny toko manontolo Salamo 22