Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 139:16-23 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin'ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.

17. Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron'ny isany!

18. Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.

19. Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà.

20. Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.

21. Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin'izay mitsangana hanohitra Anao?

22. Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.

23. Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;

Vakio ny toko manontolo Salamo 139