Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 12:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona.

2. Samy milaza lainga amin'ny namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.

3. Holevonin'i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,

4. Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?

5. Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany.

6. Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito.

7. Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity taranaka ity.

Vakio ny toko manontolo Salamo 12