98. Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
99. Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
100. Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
101. Efa narovako ny tongotro tsy ho amin'izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao.
102. Tsy mba miala amin'ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
103. Endrey ny hamamin'ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
104. Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
105. Fanilon'ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
106. Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
107. Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
108. Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
109. An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.
110. Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin'ny didinao aho.
111. Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany.
112. Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany.