90. Hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
91. Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.
92. Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin'ny fahoriako aho.
93. Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
94. Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
95. Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
96. Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.
97. Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
98. Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
99. Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
100. Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.