Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 119:88-100 Malagasy Bible (MG1865)

88. Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.

89. Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.

90. Hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.

91. Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.

92. Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin'ny fahoriako aho.

93. Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.

94. Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.

95. Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho

96. Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.

97. Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.

98. Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.

99. Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.

100. Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.

Vakio ny toko manontolo Salamo 119