Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 103:2-11 Malagasy Bible (MG1865)

2. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,

3. Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,

4. Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,

5. Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery.

6. Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.

7. Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.

8. Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.

9. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.

10. Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.

11. Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.

Vakio ny toko manontolo Salamo 103