toko

  1. 1
  2. 2
  3. 3
  4. 4
  5. 5
  6. 6
  7. 7
  8. 8
  9. 9
  10. 10
  11. 11
  12. 12
  13. 13
  14. 14
  15. 15
  16. 16
  17. 17
  18. 18
  19. 19
  20. 20
  21. 21
  22. 22
  23. 23
  24. 24
  25. 25
  26. 26
  27. 27
  28. 28
  29. 29
  30. 30
  31. 31
  32. 32
  33. 33
  34. 34
  35. 35
  36. 36
  37. 37
  38. 38
  39. 39
  40. 40
  41. 41
  42. 42
  43. 43
  44. 44
  45. 45
  46. 46
  47. 47
  48. 48
  49. 49
  50. 50
  51. 51
  52. 52
  53. 53
  54. 54
  55. 55
  56. 56
  57. 57
  58. 58
  59. 59
  60. 60
  61. 61
  62. 62
  63. 63
  64. 64
  65. 65
  66. 66
  67. 67
  68. 68
  69. 69
  70. 70
  71. 71
  72. 72
  73. 73
  74. 74
  75. 75
  76. 76
  77. 77
  78. 78
  79. 79
  80. 80
  81. 81
  82. 82
  83. 83
  84. 84
  85. 85
  86. 86
  87. 87
  88. 88
  89. 89
  90. 90
  91. 91
  92. 92
  93. 93
  94. 94
  95. 95
  96. 96
  97. 97
  98. 98
  99. 99
  100. 100
  101. 101
  102. 102
  103. 103
  104. 104
  105. 105
  106. 106
  107. 107
  108. 108
  109. 109
  110. 110
  111. 111
  112. 112
  113. 113
  114. 114
  115. 115
  116. 116
  117. 117
  118. 118
  119. 119
  120. 120
  121. 121
  122. 122
  123. 123
  124. 124
  125. 125
  126. 126
  127. 127
  128. 128
  129. 129
  130. 130
  131. 131
  132. 132
  133. 133
  134. 134
  135. 135
  136. 136
  137. 137
  138. 138
  139. 139
  140. 140
  141. 141
  142. 142
  143. 143
  144. 144
  145. 145
  146. 146
  147. 147
  148. 148
  149. 149
  150. 150

Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 103 Malagasy Bible (MG1865)

Fiderana an'Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny famindram-pony

1. Nataon'i Davida Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.

2. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,

3. Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,

4. Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,

5. Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery.

6. Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.

7. Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.

8. Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.

9. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.

10. Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.

11. Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.

12. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.

13. Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy;

14. Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.

15. Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,

16. Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.

17. Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.

18. Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.

19. Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.

20. Misaora an'i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny.

21. Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.

22. Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.