Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Salamo 103:12-16 Malagasy Bible (MG1865)

12. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.

13. Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy;

14. Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.

15. Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,

16. Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.

Vakio ny toko manontolo Salamo 103