Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Rota 2:11-18 Malagasy Bible (MG1865)

11. Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin'ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan'ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin'ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin'ny firenena tsy mbola fantatrao.

12. Hamaly ny nataonao anie Jehovah. ka homen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin'ny elany ianao.

13. Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin'ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin'ny zatovovavinao aza aho.

14. Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atỳ, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin'ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan'ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.

15. Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian'i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan'ny amboara aza, ka aza maninona azy.

16. Ary asio latsadatsaka avy amin'ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza raràna izy.

17. Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan'ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.

18. Dia nentiny izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan'ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin'ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany.

Vakio ny toko manontolo Rota 2