Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 30:3-11 Malagasy Bible (MG1865)

3. Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masina.

4. Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao!

5. Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy.

6. Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.

7. Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:

8. Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy;

9. Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran'Andriamanitro.

10. Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.

11. Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 30