Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 14:6-16 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.

7. Mialà eo anatrehan'ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.

8. Ny mitandrina ny alehany no fahendren'ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan'ny adala.

9. Ny adala ihomehezan'ny fanati-panonerana; Fa ao amin'ny marina no misy fankasitrahana.

10. Ny fo no mahalala ny fangidian'ny alahelony; Ary tsy raharahan'ny olon-kafa ny hafaliany.

11. Ravana ny tranon'ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain'ny marina.

12. Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.

13. Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran'ny hafaliana dia alahelo.

14. Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.

15. Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.

16. Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin'ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 14