Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ohabolana 14:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin'ny tànany.

2. Mandeha mahitsy izay matahotra an'i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.

3. Eo am-bavan'ny adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.

4. Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin'ny herin'ny omby.

5. Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.

6. Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.

7. Mialà eo anatrehan'ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.

Vakio ny toko manontolo Ohabolana 14