Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Obadia 1:16-21 Malagasy Bible (MG1865)

16. Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, Dia toy izany koa no hisotroan'ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.

17. Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masina izy; Ary ny taranak'i Jakoba hahalasa ny fananany.

18. Ny taranak'i Jakoba ho afo, Ary ny taranak'i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak'i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr'ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak'i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.

19. Ny any amin'ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr'i Esao;Ary ny any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin'ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an'i Gileada.

20. Ary ny babo amin'izao Zanak'Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin'ny tany atsimo.

21. Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah Jon 1:1

Vakio ny toko manontolo Obadia 1