Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Obadia 1:15-18 Malagasy Bible (MG1865)

15. Fa efa antomotra amin'ny jentilisa rehetra ny andron'i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.

16. Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masina, Dia toy izany koa no hisotroan'ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.

17. Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masina izy; Ary ny taranak'i Jakoba hahalasa ny fananany.

18. Ny taranak'i Jakoba ho afo, Ary ny taranak'i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak'i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr'ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak'i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.

Vakio ny toko manontolo Obadia 1