Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 3:43-51 Malagasy Bible (MG1865)

43. Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina.

44. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

45. Alao ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.

46. Ary ny amin'ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,

47. dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masina no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).

48. Dia homenao an'i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr'ireo mihoatra isa ireo.

49. Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;

50. tamin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masina;

51. dia nomen'i Mosesy an'i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin'i Jehovah, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Vakio ny toko manontolo Nomery 3