Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 29:10-15 Malagasy Bible (MG1865)

10. ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia amin'ny zanak'ondry fito)

11. ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.

12. Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah.

13. Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.

14. ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy, dia ny vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa

15. ary ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-janak'ondry, dia ny zanak'ondry efatra ambin'ny folo)

Vakio ny toko manontolo Nomery 29