Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 27:13-23 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin'ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an'i Arona rahalahinao;

14. fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin'ny rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)

15. Ary Mosesy niteny tamin'i Jehovah hoe:

16. Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana

17. ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'i Jehovah.

18. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak'i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;

19. ary asaovy mijoro eo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.

20. Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra azy.

21. Ary Josoa hijanona eo anatrehan'i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin'ny fitsaran'i Orima eo anatrehan'i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak'Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.

22. Ary nataon'i Mosesy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy; dia naka an'i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra

23. ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

Vakio ny toko manontolo Nomery 27