Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 20:20-29 Malagasy Bible (MG1865)

20. Fa hoy izy: Tsy mahazo mandalo atỳ ianao. Ary nivoaka hisakana azy ny Edomita nitondra vahoaka betsaka sady nanao tàna-mahery.

21. Toy izany no nandavan'ny Edomita ka tsy namela ny Isiraely hamaky ny taniny, ka dia nivily niala taminy ny Zanak'Isiraely.

22. Ary nifindra ny Zanak'Isiraely, dia ny fiangonana rehetra, ka niala tany Kadesy ary tonga tao an-tendrombohitra Hora.

23. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin'ny fari-tanin'i Edoma, ka nanao hoe:

24. Arona hangonina any amin'ny razany; fa tsy hiditra any amin'ny tany izay nomeko ny Zanak'Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin'ny ranon'i Meriba ianareo.

25. Alao Arona sy Eleazara zanany, ka ento miakatra ao an-tendrombohitra Hora izy mianaka;

26. dia esory ny fitafian'i Arona, ka atafio an'i Eleazara zanany; ary Arona hangonina any amin'ny razany ka ho faty ao.

27. Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason'ny fiangonana rehetra izy telo mianaka.

28. Dia nesorin'i Mosesy ny fitafian'i Arona ka natafiny an'i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon'ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara.

29. Koa nony hitan'ny fiangonana rehetra fa maty Arona, dia nisaona azy telo-polo andro izy, dia ny taranak'Isiraely rehetra.

Vakio ny toko manontolo Nomery 20