Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 19:19-22 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary ny maloto dia hofafazan'ilay olona madio amin'ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany amin'ny andro fahafito izy ka hanasa ny fitafiany sy handro amin'ny rano, dia hadio rehefa hariva.

20. Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.

21. Dia ho lalàna mandrakizay aminy izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana dia haloto mandra-paharivan'ny andro.

22. Ary ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ary ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra- paharivan'ny andro.

Vakio ny toko manontolo Nomery 19