Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 18:29-32 Malagasy Bible (MG1865)

29. Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an'i Jehovah, dia amin'izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy.

30. Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an'ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin'ny famiazana izany.

31. Dia mahazo mihinana izany eo amin'ny fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany noho ny fanompoanareo ao amin'ny trano-lay fihaonana.

32. Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina aterin'ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.

Vakio ny toko manontolo Nomery 18