Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 18:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.

2. Ary ny rahalahinao avy amin'ny firenen'i Levy izay firenen'ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan'ny trano-lain'ny Vavolombelona.

3. Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa.

4. Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.

5. Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak'Isiraely intsony.

6. Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin'ny Zanak'Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an'i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.

Vakio ny toko manontolo Nomery 18