Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 17:2-7 Malagasy Bible (MG1865)

2. Mitenena amin'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin'ny may ny fitondran'afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masina ireny;

3. ary ny fitondran'afon'ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin'ny alitara; fa nateriny teo anatrehan'i Jehovah ireny ka masina; ary ho famantarana ho an'ny Zanak'Isiraely ireny.

4. Ary nalain'i Eleazara mpisorona ny fitondran'afo varahina, izay efa nanateran'ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin'ny alitara

5. ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak'i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah; fandrao ho tahaka an'i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

6. Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin'i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon'i Jehovah.

7. Ary raha niangona hanome tsiny an'i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Nomery 17