Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 15:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo

3. ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia omby na ondry aman'osy hatao fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà hanalana voady, na amin'ny sitrapo na amin'ny fotoam-pivavahanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah:

4. izay manatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;

5. ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainao ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hafa alatsa-drà, amin'ny isan-janak'ondry iray.

6. Ary ho fanampin'ny isan-ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra hohanina;

7. ary divay ampahatelon'ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

8. Ary raha manatitra omby ho fanatitra dorana na ho fanatitra hafa alatsa-drà ianao, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah,

9. dia fanatitra hohanina koa no haterinao ho fanampin'ny isan-omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo antsasaky ny hina;

10. ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.

11. Izany no hatao amin'ny isan-omby iray, na ny isan-ondrilahy iray, na ny isan-janak'ondry iray, na ny isan-janak'osy iray.

12. Tahaka izany no hataonareo amin'izy rehetra, araka ny isan'ny zavatra aterinareo.

Vakio ny toko manontolo Nomery 15