Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 14:24-41 Malagasy Bible (MG1865)

24. Fa ny amin'i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin'ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.

25. Ary ny Amalekita sy ny Kananita no mponina eo amin'ny lohasaha; koa rahampitso dia miverena ianareo, ka mankanesa any an-efitra amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.

26. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:

27. Mandra-pahoviana no mbola handeferako amin'izao fiangonana ratsy mimonomonona amiko izao? Efa reko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely, izay imonomononany amiko.

28. Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:

29. Etỳ amin'ity efitra ity no hiampatramparan'ny fatinareo; ary ianareo rehetra izay voalamina araka ny nanisana anareo, dia ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,

30. dia tsy ho tonga mihitsy any amin'ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona.

31. Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.

32. Fa ny aminareo, dia hiampatrampatra amin'ity efitra ity ny fatinareo;

33. ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona ka hiharan'ny valin'ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra.

34. Araka ny isan'ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.

35. Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin'izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin'ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.

36. Ary ny lehilahy izay nirahin'1 Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin'i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy,

37. dia matin'ny areti-mandringana teo anatrehan'i Jehovah ireny lehilahy nilaza ratsy ny tany ireny.

38. Fa Josoa, zanak'i Nona, sy Kaleba, zanak'i Jefone, kosa, izay isan'ny lehilahy nandeha nisafo ny tany, dia velona ihany.

39. Dia nolazain'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terỳ ny olona.

40. Dia nifoha maraina koa izy ary niakatra tany an-tampon'ny tendrombohitra ka nanao hoe: Indreto izahay hiakatra ho any amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah, fa efa nanota izahay.

41. Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin'i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.

Vakio ny toko manontolo Nomery 14