Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 13:7-20 Malagasy Bible (MG1865)

7. avy tamin'ny firenen'Isakara dia Jigala, zanak'i Josefa;

8. avy tamin'ny firenen'i Efraima dia Hosea, zanak'i Nona;

9. avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Palty, zanak'i Rafo;

10. avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Gadiela, zanak'i Sody;

11. avy tamin'ny firenen'i Josefa, tamin'ny firenen'i Manase, dia Gady, zanak'i Sosy;

12. avy tamin'ny firenen'i Dana dia Amiela, zanak'i Gemaly;

13. avy tamin'ny firenen'i Asera dia Setora, zanak'i Mikaela;

14. avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Naby, zanak'i Vofsy;

15. avy tamin'ny firenen'i Gada dia Geoela, zanak'i Maky.

16. Ireo no anaran'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i Nona, dia nataon'i Mosesy hoe Josoa.

17. Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin'ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;

18. dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;

19. ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;

20. ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka mialin-taona.

Vakio ny toko manontolo Nomery 13