Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 1:5-21 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;

6. ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;

7. ny avy amin'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;

8. ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;

9. ny avy amin'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;

10. ny avy amin'ny zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;

11. ny avy amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;

12. ny avy amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;

13. ny avy amin'i Asera dia Fagiela, zanak'i Okrana;

14. ny avy amin'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Doela;

15. ny avy amin'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana.

16. Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.

17. Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,

18. dia namory ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.

19. Araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.

20. Ary tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,

21. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.

Vakio ny toko manontolo Nomery 1