Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 1:17-28 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo,

18. dia namory ny fiangonana rehetra tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra.

19. Araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr'Sinay.

20. Ary tamin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,

21. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.

22. Ary tamin'ny taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika

23. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.

24. Ary tamin'ny taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

25. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina.

26. Ary tamin'ny taranak'i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

27. izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.

28. Ary tamin'ny taranak'Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,

Vakio ny toko manontolo Nomery 1