Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nomery 1:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay, tao amin'ny trano-lay fihaonana tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa, tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanao hoe:

2. Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,

3. dia ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona.

4. Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan'ny fianakaviany avy.

5. Ary izao no anaran'ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin'i Robena dia Elizora, zanak'i Sedeora;

6. ny avy amin'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;

7. ny avy amin'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;

8. ny avy amin'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;

9. ny avy amin'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;

10. ny avy amin'ny zanak'i Josefa dia Elisama, zanak'i Amihoda, avy amin'i Efraima, ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, avy amin'i Manase kosa;

11. ny avy amin'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;

12. ny avy amin'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;

Vakio ny toko manontolo Nomery 1