Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 8:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak'Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano; ary niteny tamin'i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin'ny lalan'i Mosesy izay nandidian'i Jehovah ny Isiraely.

2. Dia nentin'i Ezra mpisorona ny lalàna tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafito ho eo anatrehan'ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin'izay rehetra efa mahahaino.

3. Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano izy hatramin'ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan'ny andro, dia teo anatrehan'ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin'ny lalàna.

4. Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin'ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.

5. Dia nosokafan'i Ezra teo imason'ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra.

Vakio ny toko manontolo Nehemia 8