Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 7:5-16 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary nomen'Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan'izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:

6. Izao no lehilahy amin'izany tany izany, izay niakatra avy tamin'ny fahababoana, dia ireo nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,

7. dia ny olona izay niaraka tamin'i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan'ny lehilahy tamin'ny Isiraely dia izao:

8. Ny taranak'i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;

9. ny taranak'i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;

10. ny taranak'i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;

11. ny taranak'i Pahatamoaba, dia avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;

12. ny taranak'i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;

13. ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;

14. ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;

15. ny taranak'i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;

16. ny taranak'i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;

Vakio ny toko manontolo Nehemia 7