Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 6:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin'ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin'izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),

2. dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin'izay vohitra anankiray amin'ny tany lemak'i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.

3. Dia naniraka olona hankany aminy kosa aho hanao hoe: Asa lehibe no ataoko, ka tsy afa-midina aho; nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra?

4. Kanefa mbola naniraka tamiko inefatra araka izany ihany izy; ary izaho kosa dia mbola namaly azy toy izany ihany koa.

5. Dia nirahin'i Sanbala fanindiminy ny zatovony hankeo amiko araka izany ihany, nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany,

Vakio ny toko manontolo Nehemia 6