Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 5:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin'ny Jiosy rahalahiny.

2. Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin'ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay.

3. Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary.

4. Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran'ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka.

5. Kanefa mba tahaka ny nofon'ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin'ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan'ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay.

6. Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.

7. Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin'ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy.

8. Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin'ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.

9. Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian'ny jentilisa fahavalontsika?

10. Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany;

Vakio ny toko manontolo Nehemia 5