Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 4:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa ren'i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan'i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.

2. Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an'i Jerosalema ka hanimba ny asa.

3. Dia nivavaka tamin'Andriamanitra izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman'alina noho ny fahatahoranay azy.

4. Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin'ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay.

5. Ary hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy, na hahita, raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa.

6. Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin'ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena atỳ aminay,

7. dia nasiako olona teo amin'ny fitoerana ambany, teo ivelan'ny manda sy teo an-karihary; eny, nalahatro ny olona araka ny fokony avy, samy nitàna sabatra sy lefona ary tsipìka.

8. Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin'ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.

Vakio ny toko manontolo Nehemia 4