Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 13:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tamin'izany andro izany dia novakiana teo anatrehan'ny olona ny teny tao amin'ny bokin'i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'Andriamanitra mandrakizay,

2. satria tsy nitsena hanina sy rano ny Zanak'Isiraely izy, fa nanamby an'i Balama hanozona azy; kanjo nampodin'Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.

3. Ary rehefa ren'ny olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin'ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra.

4. Ary talohan'izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika sady havan'i Tobia akaikiny,

5. dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin'ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an'ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an'ny mpisorona.

6. Fa tamin'izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin'ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Babylona, no nahatongavako tany amin'ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin'ny mpanjaka aho;

7. ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon'i Eliasiba ho an'i Tobia tamin'ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitra.

8. Dia nalahelo indrindra aho, ka navoakako ny fanaka rehetra izay an'i Tobia hiala tamin'ny efi-trano.

9. Ary nasaiko nodiovin'ny olona ny efi-trano, dia naveriko tao indray ny fanaky ny tranon'Andriamanitra mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny ditin-kazo mani-pofona.

10. Ary hitako fa tsy voaloa ny fiveloman'ny Levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ny Levita sy ny mpihira izay nanao ny raharaha.

11. Dia nifandahatra tamin'ny mpanapaka aho ka nanao hoe: Nahoana no dia ilaozana ny tranon'Andriamanitra? Dia namory azy aho ka nametraka azy teo amin'ny toerany avy.

12. Dia nentin'ny Joda rehetra ho ao amin'ny trano firaketana ny ampahafolon'ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo.

13. Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin'ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak'i Zakora, zanak'i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin'ireo dia ny hizara ho an'ny rahalahiny.

14. Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitro ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin'ny tranon'Andriamanitro sy ny amin'ny raharaha tokony hatao ao.

Vakio ny toko manontolo Nehemia 13