Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 12:16-24 Malagasy Bible (MG1865)

16. ny avy tamin'Ido dia Zakaria; ny avy tamin'i Ginetona dia Mesolama;

17. ny avy tamin'i Abia dia Zikry; ny avy tamin'i Miniamina, avy tamin'i Moadia, dia Piltahy;

18. ny avy tamin'i Bilga dia Samoa; ny avy tamin'i Semaia dia Jonatana;

19. ny avy tamin'i Joariba dia Matenay; ny avy tamin'i Jedaia dia Ozy;

20. ny avy tamin'i Salay dia Kalay; ny avy tamin'i Amoka dia Ebera;

21. ny avy tamin'i Hilkia dia Hasabia; ny avy tamin'i Jedaia dia Netanela.

22. Tamin'ny andron'i Eliasiba sy Joiada sy Johanana ary Jadoa ny Levita dia voasoratra ho lohan'ny fianakaviany; ary toy izany koa ny mpisorona, hatramin'ny nanjakan'i Dariosy Persiana.

23. Ny taranak'i Levy, lohan'ny fianakaviana, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny andron'i Johanana, zanak'i Eliasiba.

24. Ary ny lohan'ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak'i Kadmiela, mbamin'ny rahalahin'ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin'i Davida, lehilahin'Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.

Vakio ny toko manontolo Nehemia 12