Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 11:21-29 Malagasy Bible (MG1865)

21. Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy.

22. Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin'ny raharaha momba ny tranon'Andriamanitra dia Ozy, zanak'i Bany, zanak'i Hasabia, zanak'i Matania, zanak'i Mika, isan'ny mpihira, taranak'i Asafa.

23. Fa ny didin'ny mpanjaka ny amin'ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan'andro.

24. Ary Petahia, zanak'i Mesezabela, isan'ny taranak'i Zera, zanak'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin'ny olona.

25. Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,

26. ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta

27. sy Hazarasoala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny,

28. ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny,

29. ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota

Vakio ny toko manontolo Nehemia 11