Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nehemia 11:20-36 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ary ny sisa tamin'ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin'ny zara-taniny avy.

21. Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy.

22. Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin'ny raharaha momba ny tranon'Andriamanitra dia Ozy, zanak'i Bany, zanak'i Hasabia, zanak'i Matania, zanak'i Mika, isan'ny mpihira, taranak'i Asafa.

23. Fa ny didin'ny mpanjaka ny amin'ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan'andro.

24. Ary Petahia, zanak'i Mesezabela, isan'ny taranak'i Zera, zanak'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin'ny olona.

25. Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,

26. ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta

27. sy Hazarasoala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny,

28. ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny,

29. ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota

30. sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin'ny lohasahan'i Himona izy.

31. Ary ny taranak'i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,

32. ary tany Anatota sy Noba sy Anania

33. sy Hazora sy Rama sy Gitaima

34. sy Hadida sy Zeboima sy Nebala

35. sy Loda sy Ono, lohasahan'ny mahay tao-zavatra.

36. Ary tao amin'ny Benjamina nisy Levita, izay isan'ny antokon'ny Joda.

Vakio ny toko manontolo Nehemia 11