Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nahoma 3:14-19 Malagasy Bible (MG1865)

14. Manangona rano ho anao ho an'ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin'ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.

15. Any no handevonan'ny afo anao Sy handripahan'ny sabatra anao; Hohaniny toy ny fihinan'ny valalavao ianao; Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny valala.

16. Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin'ny lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka ny valalavao ka lasa manidina.

17. Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin'ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.

18. Rendrehana ny mpiandrinao, ry mpanjakan'i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy.

19. Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?

Vakio ny toko manontolo Nahoma 3