Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Nahoma 2:2-5 Malagasy Bible (MG1865)

2. Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!

3. Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr'i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr'Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.

4. Nomenaina ny ampingan'ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin'ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona.

5. Ampiezahina eny an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.

Vakio ny toko manontolo Nahoma 2